# Haninjitra ny tady fandrefesana ampiasaina hanoherana an'i Samaria amin'i Jerosalema aho, ary ny pilao fandrefesana ampiasaina hanoherana ny fianakavian'i Ahaba Ny hoe "tady fandrefesana" sy ny hoe "pilao fandrefesana" dia sarinteny nampiasain'i Yaveh hitsarana ny olona. DH: "hitsara an'i Jerosalema amin'ny fampiasana ny fitaovam-pandrefesana nampiasaiko tamin'izaho nitsara an'i Samaria sy ny ankohonan'i Ahaba aho" # hanoherana an'i Samaria Samaria no renivohitry ny tanĂ na ary ny vahoaka rehetra ao amin'ny fanjakan'Israely no tiana ho lazaina amin'izany. DH: "hanoherana ny vahoakan'Israely" # pilao fandrefesana Fitaovana vita amin'ny zavatra mavesatra ary misy tady manify mihazona azy, ampiasaina rehefa manangana rindrina mba hahitana rha mahitsy tsara ny rindrina. # ny ankohonan'i Ahaba Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakavian'i Ahaba" # Hanipy ... aho "Hilaozako" (UDB) na "holaviko" # hanome izany ho eo an-tanan'ny fahavalon'izy ireo "hamela ireo fahavalony handresy azy ireo sy haka ny tanin'izy ireo"