# hoy izy tamin'ilay mpiambina sy tamin'ireo kapiteny Ilaina ny manambara eto fa nivoaka ny tempoly Jeho mialohan'ny niresahany tamin'ilay mpiambina. DH: "niverina nivoaka tany ivelan'ny tempolin'i Bala izy ary niteny tamin'ireo mpiambina sy ireo kapiteny hoe" # tamin'ny lelan-tsabatra Nampiasa sabatra ireo lehilahy mba hamonoana ireo mpidera an'i Bala. DH: "tamin'ny sabatr'izy ireo" (UDB) # nanipy azy ireo Izany dia midika fa natsipy tany ivelan'ny tempoly ireo fatin'olona. DH: "nanipy ireo fatin'olona tany ivelan'ny tempoly" # nataony trano fivoahana "nataony trano fivoahana iraisan'ny be sy ny maro" Ny trano fivoahana matetika dia fampiasa any amin'ny toby na trano lehibe fampiatranoana miaramila. # ary mandraka ankehitriny izany Izany dia midika fa mbola mijanona amin'ny endriny izany zavatra izany mandraka ankehitriny. DH: "ary hatramin'izao dia dia mbola tahaka izany foana izany"