# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jaona dia manohy ny fanoratana momba ny finamanana sy mampiseho fa mety izany satria Jesosy dia eo anelanelan'ireo mpino sy ny Ray. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto ny teny hoe: "isika" dia maneho an'i Jaona sy ireo mpino rehetra. Ny teny hoe: "azy" sy "-ny" dia mety ho maneho an'Andriamanitra ilay Ray na Jesosy. # Anaka Jaona dia zokiolona ary mpitondra azy ireo. Izy dia mampiasa io fitenenana io mba hampiseho ny fitiavany azy ireo. DH: "Ry zanako malalako ao amin'i Kristy" na "Ianareo izay malala amiko toy ny zanako" # manoratra ireto zavatra ireto aho "manoratra ity taratasy ity aho" # Kanefa raha misy manota "Raha misy olona manota." Izany dia zavatra izay mety hitranga. # mpisolo vava isika miaraka amin'ny Ray Ny teny hoe: "mpisolo vava" eto dia maneho an'i Jesosy. DH: "olona iray izay miteny amin'Andriamanitra ilay Ray sy mangataka Aminy mba hamela antsika" # Izy no fanavotana an'ireo fahotantsika "Nanao sorona ny fiainany manokana Izy ho antsika, ary satria Andriamanitra namela ny fahotantsika" # Amin'izany no ahafantarantsika fa mahafantatra Azy isika: raha mitandrina ireo didiny isika "Raha manao izay lazainy isika, dia afaka matoky fa manana fifandraisana tsara Aminy" # mahafantatra Azy isika "manana fifandraisana Aminy isika"