# tsy maintsy hataonareo Ny hoe "-nareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda. # Milazà ny marina, ny olona tsirairay amin'ny namany DH: "Milazà ny marina amin'ny olon-drehetra" # Mitsarà amin'ny marina, rariny, ary fiadanana eo amin'ny vavahadinareo DH: "Tsarao am-pahamarinana ny fifandirana ao amin'ny toeram-pitsaranao mba ahafahan'ny olona miara-miaina am-piadanana" # aza mitia fianianan-diso DH: "aza manaiky raha misy olona milaza lainga amin'ny raharaham-pitsarana" # izany no fanambaran'i Yaveh Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.