# feo mahery avy any amin'ny seza fiandrianana manao hoe Ny teny hoe: "feo" dia maneho an'ilay miteny. DH: "olona iray miteny mafy avy any amin'ny seza fiandrianana manao hoe" # Indro! Ny teny hoe: "Indro" eto dia manaitra antsika mba hifantoka amin'ny fampahafantarana mahagaga izay manaraka eto. # Eo amin'ny olona ny toeran'ny tabernakelin'Andriamanitra, ary hiaina miaraka amin'izy ireo izy Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy dika ary manamafy ny sitrapon'Andriamanitra, hiaina eo amin'ny olona, tokoa. # Hamafa ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo Izy Ny ranomaso eto dia maneho alahelo. DH: "Andriamanitra dia hamafa ny alahelon'izy ireo, tahaka ny famafana ny ranomaso" na "Andriamanitra dia hanao azy ireo tsy ho malahelo intsony." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 7:15.