# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny andininy faha-15 dia fiatoana amin'ny tantara lehibe momba ny fahitan'i Jaona. Ireo dia teny lazain'i Jesosy. Ny tantara dia mitohy ao amin'ny andininy faha-16. # (Indro! Avy ... Aho) Ny fonon-teny ( ) eto dia mampiseho fa tsy ampahany ao amin'ny tantaran'ny fahitana izany. # Avy toy ny mpangalatra Aho Jesosy dia ho tonga amin'ny fotoana tsy ampoizin'ny olona hahatongavany, tahaka ny fahatongavan'ny mpangalatra izay tsy ampoizina. # miaro ireo fitafiany "manao ny marina tahaka ny olona miaro ny akanjony" # miaro ireo fitafiany Ny fitenenana hafa dia mandika hoe: "mitazona ny akanjony miaraka aminy." # hitan'izy ireo ny fahamenarany Eto ny teny hoe: "izy ireo" dia maneho ny olona hafa. # Nentin'izy ireo niaraka "Ireo fanahin'ny demonia dia nitondra ireo mpanjaka sy ny tafik'izy ireo niaraka" # ny toerana izay antsoina hoe Afaka atao hoe: "ny toerana izay antsoin'ny olona hoe" # Hara-magedona Izany dia anaran'ilay toerana.