# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Jaona dia manomboka mamaritra ny tapany manaraka amin'ny fahitany. Io ampahany iray io dia momba ny Zanak'Olona hijinja ny tany. Ny fijinjana ny vokatra dia famantarana ny fitsaran'Andriamanitra ny olona." # ny iray toy ny zanak'olona Io fitenenana io dia mamaritra ny endrik'olombelona, olona iray izay tahaka ny olombelona. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 1:12. # satro-boninahitra volamena Tahaka ny fehiloha vita tamin'ny rantsan'oliva na ravin-java-maniry, notefena volamena. Ohatra amin'izao fotoana ny satro-boninahitra izay atao amin'ny lohan'ny atleta mpandresy. # fijinjana fitaovana iray fanapahana bozaka, voa, ary voaloboka # nivoaka ny tempoly "nivoaka ny tempoly tany an-danitra" # ka nojinjaina ny tany "izy nijinja ny tany"