# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Fihirana fiakarana Ireo mety ho heviny dia 1) "Hira izay nohirain'ny vahoaka raha niakatra nankany Jerosalema ho amin'ny fankalazana' na 2) "Hira nohirain'ny vahoaka raha niakatra tamin'ny kitohatohatra tany an-tempoly" na 3) "Hira izay tahaka ny dia ny teniny." # raha tsy Yaveh no teo anilantsika ... dia nitelina antsika velona izy ireo Ity fanambarana ity dia mamaritra vokany izay tsy niseho akory, satria tena teo anilan'izy ireo Yaveh. DH: "Satria teo anilantsika Yaveh ... dia tsy afa-nitelina antsika velona izy ireo" # Raha tsy teo anilantsika Yaveh ... raha tsy Yaveh no teo anilantsika Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra. DH: "Raha tsy ny famonjen'i Yaveh ... Rraha tsy ny famonjen'i Yaveh" # nitelina antsika velona Izany dia sarinteny mamaritra ny fomba nahafatesan'ny Israelita amin'ny fomba hamelezan'ny biby masiaka ny biby kely kokoa mba hohanina. DH: "nahafaty antsika" # nirehitra tamintsika ny hatezerany Eto ny "hatezeran'izy ireo" dia manondro an'ireo fahavalo izay tezitra. DH: "tezitra mafy tamintsika izy ireo!" (UDB)