# SAMEKA Ity no anaran'ny litera fahadimy ambin'ny folo amin'ny alfabeta Hebreo. Amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana tsirairay amin'ny andininy 113-120 dia manomboka amin'ity litera ity. # ireo miroaroa-saina Ny olona izay tsy mahitsy fo na tsy tena nanolo-tena hankatò an'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe manana saina roa. DH: "izay tsy manolo-tena tanteraka amin'ny fankatoavana Anao" na "izay tsy tso-po" # toerana fiafenako Andriamanitra miaro ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe toerana izay azon'ny mpanoratra aleha sy iafenana. # ampingako Andriamanitra miaro ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe ampingan'ny mpanoratra. # miandry ny teninao aho Eto ny "miandry" dia midika hoe miandry manantena. Izany dia misy hevitry ny fanantenana sy fahatokiana. DH: "Matoky ny teninao" # ny teninao Eto ny "teny" dia maneho izay ampitain'Andriamanitra amin'ny vahoaka.