# Ambarako ho lovako mandrakizay ny didim-panekenao Ny mpanoratra manome lanja sy mankatò mandrakariva ny didin'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe tany na fananana izay holovain'ny mpanoratra ny didy. DH: "ho ahy mandrakizay ny lalànao" na "Tahaka ny lova ho ahy mandrakizay ny didim-panekenao" # izany no fifalian'ny foko Eto ny "fo" dia maneho an'ilay olona manontolo. DH: "mahafaly ahy izany" na "mankamamy amin'izany aho" # Tafatoetra amin'ny fankatoavana ny foko Eto ny "fo" dia maneho ny sitrapon'ny mpanoratra. Ny andianteny "tafatoetra ny fo" dia fomba fiteny. Izany dia fomba ilazana fa tapa-kevitra ny mpanoratra. DH: "tapa-kevitra ny hankatò aho" # hatramin'ny farany indrindra Ireo mety ho heviny dia 1) "izy rehetra ireo" (UDB) 2) "hatramin'ny fiafaran'ny fiainako" na 3) "hatramin'ny fiafaran'ny fotoana"