# BETA Ity no anaran'ny litera faharoa amin'ny alfabeta Hebreo. Ao amin'ny fiteny Hebreo, ny andalana amin'ny andininy 9-16 dia manomboka amin'ity litera ity. # Ahoana no hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio? Ity fanontaniana ity dia manolotra tombambidy vaovao amin'ny tenin'Andriamanitra. Ity fanontaninana fampiasainana ity dia azo avadika ho fanambarana tsotra. DH: "Toy izany no hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio" # hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio Ny mpanoratra mampitaha ny fiainana araka ny lalàn'Andriamanitra amin'ny lalankely nodiovina tamin'ireo tsentsina. # Amin'ny foko manontolo Izany dia fomba fiteny. Ny fo dia manondro izay fihetseham-po, fahatsapana, faniriana, sy sitrapo rehetra. DH: "amin'ny momba ahy rehetra" na "amin'izay rehetra ato anatiko" na "amin-kitsipo" # aza mamela ahy hania amin'ny didinao Eto ny tsy fankatoavana ireoe didin'Andriamanitra dia faritana ho mania amin'ny lalana. DH: "Aza mamela ahy tsy hankatò ireo didinao.