# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo. # Salamo nataon'i Asafa "Ity dia salamo nosoratan'i Asafa." Jereo ny nandikana izany ao amin'ny 53:1. # saika nibolisatra ny tongotro; saika solafaka ny diako Ny mpanao salamo miteny ny maha tsy afaka matoky an'Andriamanitra ary maniry hanota toy ny hoe izy saika lavo raha nandeha tamin'ny lalankely malama. DH: "saika nitsahatra nitoky tamin'Andriamanitra aho; efa saika meloka amin'ny fanaovana fahotana lehibe taminy aho" (UDB) # nitsiriritra ny mpirehareha aho "nitsiriritra ny mpirehareha aho" na "tsy tiako hanan-java-tsoa izay nananany ny mpirehareha" # ny mpirehareha Ny mpamaritoetra "mpirehareha" dia azo avadika ho andianteny anarana. DH: "olona mpirehareha" # ny fahombiazan'ny ratsy fanahy Ny teny "fahombiazana" dia azo adika ho matoanteny. DH: "ny fomba hahazoan'ny ratsy fanahy zava-tsoa marobe" # ny ratsy fanahy Ny mpamaritoetra "ratsy fanahy" dia azo adika ho andianteny anarana. DH: "olona ratsy fanahy"