# hifaly amin'ny fandresenao izahay Ny "izahay" eto dia manondro ny vahoaka. Hifaly amin'ny fandresen'ny mpanjaka izy ireo. # amin'ny anaran'Andriamanitray Ny "anarana" eto dia midika voninahitra na laza. DH: "amin'ny voninahitr'Andriamanitray" na "ho an'ny lazan'Andriamanitray" # hanangananay faneva "hanangananay saina" na "hanandratanay faneva" # Hanome izay fangatahanao rehetra "hanome anao izay rehetra angatahanao aminy" # ankehitriny Io teny io eto dia ampiasaina ho mari-piatoana ao amin'ny salamo. mampiampita ny fitenenan'ny vahoaka mankany amin'ny fitenenan'ny mpanjaka izany. # Fantatro Ny mpisolo tena tampisaka "o" dia mety ho manondro ny mpanjaka izay miteny eto amin'ity ampahany ity. # ny olom-boahosony ... hamaly azy ... manavotra azy Ny mpanjaka dia miresaka momba ny tenany amin'ny mpisolotena fahatelo. Izany dia azo ambara amin'ny mpisolotena voalohany. DH: "izaho, olom-boahosony ... hamaly ahy ... manavotra ahy" # avy any an-danitra masiny Andriamanitra dia monina any an-danitra ary koa ao an-tempolin'i Jerosalema. # amin'ny herin'ny tanany havanana izay afaka manavotra azy Ny tanana ankavanan'Andriamanitra dia amneho ny heriny hanavotra ny mpanjaka. DH: "amin'ny heriny lehibe dia hamonjy azy Izy.