# nampiakarinao ambony aho Ny fiarovan'i Yaveh ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe manandratra ny mpanoratra avo dia avo Izy ka tsy afaka mahatratra azy mba hamono ireo fahavalony. DH: "Ianao mametraka amin'ny toerana azo antoka ambony be" # nijoro hanohitra ahy "izay namely ahy" na "izay nikomy tamiko" # lehilahy maherisetra "lehilahy lozabe' na "lehilahy biby toetra" # amin'ireo firenena Ny mpanoratra eto dia te haneho fa hisaotra an'i Yaveh izy mba handrenesan'ny olon-drehetra ny fahalehibiazan'i Yaveh. DH: "mba handrenesan'ny firenena rehetra izany" # ho an'ny anaranao Ny "anaranao" eto dia maneho an'Andriamanitra tenany. DH: "ho voninahitry ny anaranao" na "ho Anao"