# Avoty tsy ho azon'ny ratsy fanahy amin'ny alalan'ny sabatrao ny aiko ... Avoty amin'ny olona amin'ny alalan'ny tananao aho, Yaveh o, dia amin'ny olon'izao tontolo Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ny fiverimberenana dia manampy fanamafisana amin'ny tenin'ny mpanoratra. # amin'ny alalan'ny sabatrao ... amin'ny alalan'ny tananao Ny "sabatra" sy "tanana" eto dia maneho ny herin'i Yaveh. # Hameno harena ny kibon'ireo sarobidinao Ianao Ny lahatsoratra fahiny eto dia miova. Ireo mety ho heviny dia 1) Hamatsy fitahiana lehibe ho an'ny olony Yaveh. DH: "Hanome fitahiam-be ny olonao Ianao" na 2) Hanafay mafy ny ratsy fanahy ka hatrany amin'ny zanany sy ny zafikelin'izy ireo Yaveh.