# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20). # ny mpiadin'ny fahendrena Ny teny hoe "fahendrena" dia azo adika amin'ny endrika andian-teny misy anarana. DH: "ny mpiady hendry" # ny olon'ny fahalalana dia mampitombo ny heriny Ny teny anarana hoe "fahalalana" sy "hery" dia azo adika amin'ny matoanteny "mahalala" sy ny mpamari-toetra "mahery." DH: "ny olona izay mahalala zavatra maro dia mahery satria fantany ireo zavatra ireo" # amin'ny torolalana hendry Ny teny hoe "torolalana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "raha manana olon-kendry ianao hilaza aminao izay tokony hatao" # mpanolo-tsaina ireo izay milaza amin'ny manam-pahefan'ny fanjakana izay tokony hataon'ireo manam-pahefana ireo