# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ireo "ohabolana telopolo" ireto andininy ireto (22:20). # Mihainoa—ianao!—ry zanako "Mihainoa tsara, ry zanako." Milaza teny fanampiny ilay miteny hahazoany antoka fa mihaino tsara ny mpihaino. # hampizory amin'ny lalana Ny fanapahana hevitra hanao ny mety dia resahina toy ny hoe misy olona mapiseho amin'ny hafa ny lalana tsara tokony harahina. DH: "ataovy azo antoka fa manao izay hendry ianao" # fatra-pihinan-kena Ireo mety ho heviny dia 1) "olona mihinan-kena mihoatra izay ilainy" na 2) fibangoan-teny ilazana ny "olona izay mihinana sakafo mihoatra izay ilainy" io. # ny faharendrehana no hampitafy azy amin'ny voro-damba Ny teny hoe "faharendrehana" dia filaza-masaka ilazana ny olona madany fotoana be loatra amin'ny fihinanan-kanina sy fisotroana. Io fihetsika io dia resahina toy ny hoe ray aman-dreny mampitafy zaza. DH: "satria mandany fotoana be loatra amin'ny fihinanana sy fisotroana izy ireo, dia tsy hiasa ka hanjary hahantra"