# Halan'i Yaveh ireo vato fandanjana tsy mitovy ary ny mizana tsy marina dia tsy tsara Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary ampiarahina mba hanindriana ny amin'ny faharatsian'izany. # Ny dian'ny olona dia tarihan'i Yaveh Io dia azo atao hoe DH: "Yaveh no matarika ny dian'ny olona" # Ny dian'ny olona Ilazana ireo karazan-javatra ataon'ny olona iray io. DH: "Ny ataon'ny olona" # koa ahoana no ahalalany izay lalany? Ny valinteny ambadik'izany dia hoe tsy afaka ny hahalala izany izy. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "noho izany, dia tsy afaka mahalala ny lalany ny olona" # ahalalany izay lalany Fomba fiteny io. Ny teny hoe "lalany" dia ilazana ny fiainan'ny olona iray. DH: "ahalalany ny antony hitrangan'ny zavatra sasany eo amin'ny fiainany"