# ny molotry ny fahalalana dia firavaka sarobidy Ny lanjan'ny molotry ny fahalalana dia ampitahaina amin'ny firavaka sarobidy. DH: "sarobidy tahaka ny firavaka lafo vidy ny molotry ny fahalalana" # ny molotry ny fahalalana Eto dio "molotra" no iresahana ny "teny." DH: "teny hendry" na "tenin'ny fahalalana" # Alao ny akanjon'izay nampisy fiarovana ho an'ireo vahiny Rehefa mampindram-bola, dia maka zavatra amin'ilay mpindrana ny mpampindrana, tahaka ny akanjo, mba ho antoka amin'ny famerenana. Ho averiny izany aorian'ny hamerenana ilay vola. Raha mahantra loatra ilay mpindrana, dia misy olon-kafa afaka manome zavatra iray amin'ilay mpampindrana ho antoka ho azy. Azo atao mazava ny hevitr'io fanambarana io feno. DH: "Makà ankanjo iray ho fiarovana amin'ilay iray izay manome antoka fa ho vaoloa izay nindramin'ny vahiny" # manisy fiarovana Fomba fiteny io. Midika izany fa misy olona manome zavatra amin'ny mpampindrana ho antoka fa ho voaloa izay nindramina. DH: "manome antoka fa ho voaloa izay nindramina" na "mampanantena ny handoa ny findramana" # tazony ho antoka Fomba fiteny io. Ny "fitazonana ny zavatra iray ho antoka" dia midika fitazonana zavatra iray izay nomen'ny olona ho antoka, na fampanantenana, fa handoa ny trosa izy. DH: "tazony ny akanjony ho antoka amin'ny famerenana"