# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mifanohitra amin'ny andininy faha 14 ny andininy faha 15. # Ao amin'ny fahazavan'ny tavan'ny mpanjaka ny fiainana Ny endrika falifaly eo amin'ny tarehin'ny mpanjaka dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitaratra hazavana ny tavany. DH: "Rehefa miramirana ny mpanjaka, dia velona ny olona" # ny fankasitrahany dia sahala amin'ny rahona izay mitondra oran-dohataona Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny rahona mitondra orana mba hampaniry ny vokatra ny mpanjaka maneho fankasitrahana amin'ny olona iray. Samy mampanantena fitahiana amin'izay mandray azy ireo roa ireo. # Endrey ny hatsaran'ny fahazoana fahendrena mihoatra lavitra noho ny volamena Io teny fanairana io dia manindry ny amin'ny mahatsara lavitra ny fananana fahendrena noho ny fananana volamena. DH: "tsara lavitra ny mahazo fahendrena noho ny mahazo volamena" # Aleo mifidy ny hahazo fahazavan-tsaina toy izay volafotsy Io dia azo atao hoe DH: "Tokony hisafidy ny hahazo fahazavan-tsaina mihoatra ny fahazoana volafotsy ny olona"