# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ato amin'ny toko faha 8 dia resahina toy ny hoe vehivavy izay mampianatra ny olona mba ho hendry ny fahendrena. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Fifanindriana andalana ny andininy maro ato amin'ny toko faha 8. # Tsy miantso mafy ve ny Fahendrena? Ampiasaina io fanontaniana io mba hampatsiahivana ny mpamaky ny amin'ny zavatra iray izay efa tokony ho hainy. DH: "Miantso mafy ny fahendrena" # Tsy miantso mafy ve ny Fahendrena? Eto ny fahendrena dia alaina sary an-tsaina hoe vehivavy. Raha misy fiteny tsy mamela io karazana sarinteny io, ny ireo mety ho dikan-teny hafa dia: 1) "Tsy tahaka ny vehivavy izay miantso mafy ve ny fahendrena?" na 2) "Tsy misy vehivavy antsoina hoe Fahendrena miantso mafy ve?" # Tsy manandra-peo ve ny Fahazavan-tsaina? Eto ny "Fahazavan-tsaina" dia mitovy dika amin'ny hoe "Fahendrena" ihany. # vavahady ao amin'ny fidirana mankany an-tanàna Tamin'ny andron'ny ntaolo, matetika ireo tanàna dia nisy manda ivelany misy vavahady. # no hiantsoany Manohy maneho ny Fahendrena, natao toy ny hoe vehivavy io.