# Jereo ... diniho "Hianaro ... hevero" na "diniho tsara ... saintsaino" # vitsika ny vitsika dia bibikely izay mipetraka any ambany tany eo amin'ny havoana nataony ihany. Matetika ireo dia miara-mipetraka amin'ny vondrona an'arivony, ary afaka mibata zavatra izay lehibe lavitra noho izy ireo. # diniho ny fanaony Io dia hevitra ambadika izay mampiasa ny "fanaon'ny" vitsika hilazana ny toetrany. DH: "diniho ny toetran'ny vitsika" # komandy, mpifehy, na mpanapaka Ireo teny telo ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary ampiasaina mba hanindriana fa tsy misy manana fahefana manokana eo amin'ny vitsika tokana. # mamory ny sakafony amin'ny fahavaratra ary mandritra ny fararano no hitehirizany izay hohaniny Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averina mba hampisehoana ny fandraisana andraikitry ny vitsika. # fahavaratra Ny fahavaratra dia fotoana izay hamoazan'ny hazo sasany amin'ny taona iray.