# Aza avela hatory ny masonao ary aza avela rendrehana ny hodi-masonao Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary naverina mba hanindriana ny amin'ny maha-zava-dehibe ny tsy fahakamoana. Ambara amin'ny endrika misy fandrarana ihany koa io mba hanehoana fanindriana bebe kokoa. DH: "Mifohaza, ary ataovy izay azonao atao" # ny masonao ... hodi-masonao Io dia hevitra ambadika izay mampiasa izay eo amin'ny tarehinao mba hilazana ny vatanao manontolo. DH: "ny tenanao ... ny tenanao" # Vonjeo ny tenanao tahaka ny gazela eny an-tanan'ny mpihaza "Miandosira ny namanao tahaka ny gazela izay mandositra ny mpihaza" # gazela Izany dia biby lehibe, mahia izay mihinana ahitra ary hazain'ny olona matetika hahazoana hena. Malaza amin'ny fitsoahana malaky izany. # an-tanan'ny mpihaza Entina ilazana ny fifehezan'ny mpihaza ny tanan'ny mpihaza. DH: "fifehezan'ny mpihaza" # tahaka ny vorona eo an-tanan'ny mpamandri-borona "ary mandosira tahaka ny vorona izay misidina lavitry ny mpamandri-borona"