# handeha amin'ny lalanao am-pilaminana ianao Ny fiainana ny fiainan'ny olona iray dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana iray ilay olona. DH: "hiaina ny fiainanao am-pilaminana ianao" # tsy ho tafintohina ny tongotrao Ny teny hoe "tongotra" dia maneho ny olona manontolo. Resahin'ny olona toy ny hoe voafingan'ny zavatra iray eo amin'ny lalany ny fanaovana ratsy. # rehefa mandry ianao Ny hevitra ambadik'izany dia hoe mandry mba hatory ny olona iray. Ny dikan'io dia azo atao mazava. DH: "rehefa mandry mba hatory ianao" # ho mamy ny torimasonao Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mamy amin'ilay olona matory ny torimaso izay milamina sy mamelombelona. Ny teny hoe "torimaso" dia azo adika amin 'ny endrika matoanteny. DH: "hahafinaritra ny torimasonao" na "hatory am-pilaminana ianao"