# Raha mihiakiaka ho amin'ny fahazavan-tsaina ianao ary mampiaka-peo ho amin'izany Samy mitovy hevitra ireo fanambarana ireo. Ny hevitra ambadik'izany dia hoe mangataka fahazavan-tsaina mafy amin'i Yaveh ilay olona. DH: "Raha mangataka faingana amin'Andriamanitra ianao ary mitalaho fahazavan-tsaina" # Raha mihiakiaka...raha mitady Ity no manohy ny fitohitohizan'ny fanambarana misy fepetra izay nanomboka tao amin'ny 2:1. Raha nadikanao tamin'ny endrika fandidiana ny 1:1-2, dia tokony hadikanao amin'ny endrika fandidiana ihany koa ireo tahaka ny ao amin'ny UDB. # mampiaka-peo Io dia fomba fiteny izay midika hoe miteny mafy na mihiakiaka. # raha mitady izany tahaka ny hitadiavanao volafotsy ianao ary mitady ny fahazavan-tsaina tahaka ny fitady harena miafina Samy mitovy hevitra ireo fanambarana ireo. Ireo fampitahana ireo dia manindry ny ezaka lehibe izay tokony hataon'ny olona mba hahatakatra izay hendry. DH: "raha mitady fahazavan-tsaina amin'ny ezaka mafy tahaka ny fitadiavanao zava-tsarobidy ianao" # mitady izany...mitady ny fahazavan-tsaina Ny fiezahana mafy dia mafy hahatakatra izay hendry dia resahina toy ny hoe zavatra izay tsy maintsy tadiavin'ny olona ny fahazavan-tsaina. # ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra Ny fahombiazana amin'ny fahafantarana an'Andriamanitra dia atao toy ny hoe zavatra izay hitan'ny olona taorian'ny fitadiavany izany ny fahalalana an'Andriamanitra ny firesahana .