# Avy eo Israely Eto ny hoe "Israely" dia manondro ny vahoakan'Israely, ary indrindra ireo mpitarik'izy ireo. DH: "Avy eo ireo Israelita" # Tsy hivily any amin'ny saha rehetra na ny tanim-boaloboka izahay "Tsy handeha ao amin'ny sahanareo na ireo tanim-boalobokareo izahay" # ny lalan'ny mpanjaka Io dia lalambe izay mampifandray an'i Damaskosy any avaratra amin'ny tany mihidin'i Akaba any atsimo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 20:17. # handalo ny fari-tanin'izy ireo "mba hiampita ny faritanin'izy ireo." Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ireo Amorita. # Jahaza Io dia anaran-toerana. # niadiany tamin'Israely Eto ny hoe "-ny" dia manondro ny tafik'i Sihona mpanjaka, ary ny hoe "Israely" dia manondro ny vahoakan'Israely. DH: "niady tamin'ireo Israelita ny tafiny"