# nametrahana ny tabernakely DH: "nanangana ny tabernakely ireo Levita" # ilay lain'ny lalàn'ny fanekena Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao ny andianteny hoe "ny tabernakelin'ny didim-panekena" ao amin'ny 1:50. # Niseho toy ny afo mandra-maraina izany Io dia manondro ny fisehon'ny rahona mandritra ny alina. Eto ny rahona dia ampitahaina hoe mitovy amin'ny afo. DH: "Mandritra ny alina dia toy ny afo lehibe mandra-maraina ny rahona" # Nitohy tahak'izany foana izany Mety ilaina ny manazava fa manondro ny rahona izay nanerana ny tabernakely izany. DH: "Nijanona tahaka izany nanerana ny tabernakely ny rahona" # niseho ho toy ny afo amin'ny alina Ny fisehon'ny rahona dia ampitahaina amin'ny afo lehibe. DH: "toy ny afo lehibe amin'ny alina izany" # ny rahona no nampiakarina DH: "nifindra" na "nampiakarin'i Yaveh ny rahona" # nijanonan'ny rahona "tsy nihetsika intsony ny rahona"