# Ary nisy olona sasany lasa naloto tamin'ny fatin'ny olona iray Midika izany fa nikasika olona maty, izay nandoto azy ireo izy ireo. Afaka ataonao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io. DH: "lasa maloto satria nikasika fatin'olona maty izy ireo" # naloto Ny olona izay heverin'Andriamanitra fa tsy ekena ara-panahy na voaloto dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana ilay olona. # nitandrina ny Paska Eto ny teny hoe "nitandrina" dia midika hoe manaja. DH: "manaja ny Paska" na "mankalaza ny Paska" # nohon'ny fatin'olona Midika izany fa nikasika fatin'olona izy ireo. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "satria nikasika ny fatin'ny olona maty izahay" # Nahoana no tsy avelanao hanatitra sorona...eo amin'ny vahoakan'ny Israely izahay? Mametraka io fanontaniana io ireo lehilahy mba hitarainana fa tsy navela handray anjara amin'ny fankalazana ny Paska. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy rariny raha tsy avelanao tsy hanolotra ny sorona...eo amin'ny vahoakan'ny Israely." # raikitra napetraka na nofaritana mialoha