# Ary Io teny io dia ampiasaina eto mba hanamarihana fiatoana kely amin'ny fizotran'ny tantara toy ny hoe manohy mitantara momba ny fanadihadiana an'i Jesosy. # mamono Azy ho faty Tsy izy ireo irery no te-hamono an'i Jesosy; fa kosa hampaniraka olona hanao izany izy ireo. DH: "Mety hovonoin'izy ireo Jesosy" na "mety misy olona iray hampamonoan'izy ireo an'iJesosy" # Saingy tsy nahita izy ireo Tsy nahita vavolombelona hanohitra an'i Jesosy izy ireo mba hahafahan'izy ireo mandresy Azy sy mampamono Azy. DH: "Fa tsy nahita vavolombelona izay handresen'izy ireo lahatra azy izy ireo" # niampanga lainga Azy Eto ny fiampangana lainga dia voafaritra ho zavatra mivaingana. DH: "miampanga Azy amin'ny fijoroana vavolombelona tsy marina manohitra Azy" # na ny fiampangan'izy ireo aza tsy nifanaraka akory Afaka atao hoe: "fa ny fijoroan'izy ireo vavolombelona dia nifanipaka"