# nahita azy ireo natory Ny teny hoe: "izy ireo" dia maneho an'i Petera, Jakoba, ary Jaona. # Simona, matory va ianao? Tsy nahavita niambina ora iray va ianao? Jesosy dia mibedy an'i Petera nohon'ny fatoriany. DH: "Simona, natory ianao rehefa nolazaiko mba hiari-tory. Tsy mahavita miari-tory na dia ora iray akory aza." # mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy Jesosy dia miresaka momba ny fakam-panahy toy ny hoe miditra amin'ny toerana iray. DH: "mba tsy ho voan'ny fakam-panahy ianareo" # Ny fanahy mety mazoto tokoa, fa ny nofo no malemy Jesosy dia mampitandrina an'i Simona Petera fa tsy hahavita hanohitra hanao izay tiany amin'ny heriny manokana izy. DH: "Hazoto amin'ny fanahinao ianao, fa tsy hahavita hanohitra izay tianao ho atao" na "Te-hanao izay lazainao ianao, kanefa osa ianao" # Ny fanahy ... ny nofo Ireo dia maneho zavatra roa samihafa. Ny "fanahy" dia ireo faniriany. Ny "nofo" dia ny fahaiza-manaony araky ny maha-olombelona azy sy ny tanjany. # namerina ny teny nataony "namerina nivavaka izay efa nivavahany teo aloha"