# Fampifandraisana ny foto-kevitra Tamin'ny andro efa takariva, ary Jesosy dia tao an-tranon'i Levi mba hisakafo. # tranon'i Levi " tranon'i Levi" # olona mpanota Ireo Fariseo dia mampiasa ny fehezanteny hoe: "olona mpanota" mba hanehoana ny olona izay tsy mitandrina ny lalàna sy ny fieritreretan'ny Fariseo azy ireo. # fa maro izy ireo no tao ary nanaraka Azy izy ireo Ny mety ho dikany: 1) "fa maro ireo mpamory hetra sy ireo olona mpanota nanaraka an'i Jesosy" na 2) "fa Jesosy manana mpianatra maro ary nanaraka Azy izy ireo." # Nahoana Izy no miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy olona mpanota? Ireo Mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia nametraka izany fanontaniana izany mba hampiseho ny tsy faneken'izy ireo ny fampiantranoan'i Jesosy. Afaka atao foto-kevitra izany. DH: "Izy dia tokony tsy hiara-hihinana amin'ireo mpanota sy ireo mpamory hetra!"