# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Ny Toko faha 3 dia mifantoka amin'ny faharatsian'ireo mpitarika ao Israely. # Hoy aho Eto, ny "Aho" dia manondro an'i Mika. # Moa ve tsy mety aminareo ny mahatakatra ny fahamarinana? Mampiasa io fanontaniana io i Mika mba hitenenana mafy ireo mpitarika satria tsy niaro ireo vahoaka mahantra na nitondra azy ireo ara-drariny izy ireo. # ianareo izay manendaka ny hoditr'izy ireo, ny nofon'izy ireo amin'ny taolany ... tahaka ny hena atao ao amin'ny fandrahoan-kena Mampiasa io sarin-teny mahatsiravina momba ny mpivaro-kena mitetika ny biby mba ho lasa hena io i Mika mba hanamafisany ny fahatafitohinan'Andriamanitra amin'ireo mpitarika noho'ny halozan'izy ireo tami'ireo izay tokony narovany.