# Zanak'Olona Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. # Handeha Eto ny "handeha" dia fomba mihaja ilazana hoe ho faty. DH: "handeha ho any amin'ny fahafatesany" na "ho faty" # araka izay efa voasoratra momba Azy Azo atao hoe DH: "araka izay nosoratan'ireo mpaminany momba Azy ao amin'ny soratra masina" # Izaho ve izany, Raby o? "Raby, izaho ve ilay iray izay hamadika Anao?" Mety ho nampiasa fanontaniana tsy valiana i Jodasy mba handavana fa izy ilay iray izay hamadika an'i Jesosy. DH: "Raby, tsy mba izaho mihitsy ilay iray izay hamadika Anao" # Voalazanao Io dia fomba fiteny izay ampiasain'i Jesosy mba hidika hoe "eny" kanefa tsy dia mazava tsara ny tena heviny. DH: "Voalazanao izany" na "Efa manaiky izany ianao"