# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity no fanombohan'ny tantaran'ny fanakalazan'i Jesosy ny Paska niaraka tamin'ireo mpianany. # niteny hoe: "Aiza no tianao hanomananay ho anao hihinana ny sakafon'ny paska?" Namaly Izy hoe: "Midira ao an-tanàna misy lehilahy iray ary lazao izy hoe: 'Hoy ny Mpampianatra hoe: "Efa akaiky ny fotoanako. Ato an-tranonao Aho no hanao ny paska miaraka amin'ireo mpianatro."''' DH: "Niteny tamin'ireo mpianatra Izy mba handeha any an-tanàna ho any amina lehilahy iray ary hilaza aminy fa hoy ny Mpampianatra aminy hoe: 'Efa akaiky ny fotoanako. Hataoko ao an-tranonao miaraka amin'ireo mpianatro ny Paska"' na "Niteny tamin'ireo mpianatra i Jesosy mba handeha any an-tanàna ho any amina lehilahy iray ary hilaza aminy fa efa akaiky ny fotoanan'ny Mpampianatra ary hanao ny Paska ao an-tranon'izany lehilahy izany miaraka amin'ireo mpianany Izy. # fotoanako Ireo mety ho dikany 1) "Ilay fotoana nolazaiko taminareo" na 2) "Ilay fotoana napetrak'Andriamanitra ho Ahy." # Efa akaiky Ireo mety ho dikany dia 1) "efa antomotra" na 2) "tonga" # Ato an-tranonao Aho no hanao ny paska "hihinana ny sakafon'ny Paska" na "hankalaza ny Paska amin'ny fihinanana ny sakafo manokana"