# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manomboka milaza amin'izy ireo ny fomba hitsarany ny olona rehefa miverina amin'ny fara-andro i Jesosy. # ny Zanak'Olona Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. # Ary ny firenena rehetra dia hangonina eo anatrehany Azo atao hoe DH: "Hangoniny eo anatrehany ireo firenena rehetra" # eo anatrehany "eo anoloany" # ny firenena rehetra Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona. DH: "ireo olona rehetra avy amin'ny firenena rehetra. # tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy Mampiasa fampitahana i Jesosy mba hamaritana ny fomba hanavahany ny olona. # Hametraka ny ondry ho eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany Io dia sarin-teny izay midika fa ny Zanak'Olona dia hanavaka ny olona rehetra. Hametraka ireo olo-marina eo amin'ny ankavanany Izy, ary hametraka ireo mpanota eo ankaviany.