# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy milaza fanoharana momba ny tompo sy mpanompo i Jesosy mba hampisehoana fa tokony ho vonona amin'ny fiverenany ireo mpianany. # Koa iza moa ilay mpanompo mahatoky sy hendry izay notenendren'ny tompony ... fotoana mety? Mampiasa an'io fanontaniana io i Jesosy mba hampisainana ireo mpianany. DH: "Koa iza no mpanompo mahatoky sy hendry? Izy no ilay iray izay ... fotoana mety" na "Manaova toy ilay mpanompo mahatoky sady hendry, izay ... fotoana mety: # hanomezana azy ireo ny sakafon'izy ireo "manome ny sakafon'ireo olona ao an-tranon'ilay tompo" # Lazaiko marina aminareo "Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.