# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Eto dia mivadika mankany amin'ny fotoana kely taorian'izany, izay nampianaran'i Jesosy an'i Petera ny amin'ny fandoavana ny hetran'ny tempoly, ny tantara. # Rehefa ... izy ireo "Rehefa ... i Jesosy sy ireo mpianany" # hetra atsasaky ny sekely Io dia hetra izay naloan'ireo Jiosy mba hanohanana ny tempoly tao Jerosalema. DH: "Hetran'ny tempoly" # an-trano "ilay toerana izay nijanonan'i Jesosy" # Inona no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin'iza no andraisan'izy ireo hetra na hetran'olona? Avy amin'ireo vahoakany va sa avy amin'ireo vahiny? Mametraka fanontaniana i Jesosy mba hampianarana an'i Simona, fa tsy hahazoana fahalalana ho an'ny tenany akory. DH: "Henoy, ry Simona. Fantatsika fa rehefa manangona hetra ireo mpanjaka, dia angonin'izy ireo avy amin'ireo vahiny izany fa tsy amin'ny mponina ao an-tanĂ na" # mpanjaka eto an-tany Manondro ireo mpitarika amin'ny ankapobeny izany. # vahoakany Olona ao ambanin'ny fahefan'ny mpanapaka na mpanjaka.