# hanaraka Ahy Ny manaraka an'i Jesosy eto dia midika hoe mpianany. DH: "ho mpianatro" na "ho isan'ny mpianatro" # mandà ny tenany izy "tsy maintsy mandà ny filàny" na "tsy maintsy mahafoy ireo filàny" # hitondra ny hazofijaliany "milanja ny hazofijaliany ary manaraka Ahy." Maneho fahoriana sy fahafatesana eto ny hazofijaliana. Ny fitondrana ny hazofijaliana eto dia midika fahavononana ny hijaly sy ho faty. DH: "tsy maintsy mankatoa Ahy na dia ho amin'ny fijaliana sy fahafatesana aza" # manaraka Ahy Ny fanarahana an'i Jesosy eto dia maneho fankatoavana Azy. DH: "mankatoa Ahy" # Fa na iza na iza te "Fa izay rehetra te" # hahavery azy Tsy midika akory izany fa voatery ho faty ilay olona. Io dia sarin-teny izay midika fa ho raisin'ilay olona ho lehibe kokoa noho ny ainy ny fanarahan-dia an'i Jesosy. # nohon'ny amiko "satria matoky ahy izy" # hahazo izany Io dia sarin-teny izay midika fa hiaina fiainana ara-panahy miaraka amin'Andriamanitra ilay olona. DH: "hahita fiainana tena izy" # Fa inona moa no soa ho azon'ny olona ... ny ainy? Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ireo mpianany. DH: "tsy misy tombontsoa azon'ny olona ... ny ainy" # mahazo izao tontolo izao Mampiasa filaza-masaka i Jesosy mba hanindriana fa tsy misy na inona na inona eto amin'izao tontolo izao izay sarobidy noho ny fananana tena fiainana miaraka amin'Andriamanitra. DH: "raha azony ny zavatra rehetra eto amin'izao tontolo izao" # Inona no omen'ny olona ho takalon'ny ainy? Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ireo mpianany. DH: "Tsy misy na inona na inona azon'ny olona omena hahazoany ny ainy indray"