# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manomboka mampianatra ireo vahoaka sy ireo mpianany momba izay mandoto ny olona iray sy ny maha-diso ireo Fariseo sy mpanora-dalàna manoloana ny fitsikeran'izy ireo Azy i Jesosy. # Mihainoa ka mahazoa Tsindrian'i Jesosy ny maha zava-dehibe izay ho lazainy. Ny hevitra ambadiky ny fampahafantarana dia azao adika mazava. DH: "Mihainoa tsara izay lazaiko mba hahazoanareo ny dikany" # miditra ao ambavan'ny ... izay aloaky ny vava Mampifanohitra izay hanin'ny olona iray amin'izay tenenin'ny olona iray i Jesosy. Ny tian'i Jesosy ambara dia hoe: izay lazain'ny olona no heverin'Andriamanitra fa tsy izay haniny.