# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mampianatra ireo mpianany i Jesosy. Eto Izy dia manomboka milaza amin'izy ireo momba ny fanenjehana izay hiaretan'izy ireo rehefa mandeha mitory. # Indro Ny teny hoe "indro" dia manindry izay ho avy manaraka. DH: "Jereo" na "henoy" na "Tandremo tsara izay ho lazaiko aminareo" # handefa anareo Mandefa azy ireo nohon'ny antony manokana i Jesosy. # toy ny ondry eo afovoan'ny ambodia Ny ondry dia biby tsy afa-miaro tena izay tafihan'ny ambodia matetika. Milaza i Jesosy fa mety hamely ireo mpianatra ny olona. DH: "toy ny ondry eo amin'ny olona tahaka ny ambodia loza be" na "toy ny ondry eo amin'ny olona manao toy ny ataon'ny biby loza be" # koa hendre tahaka ny menarana ary tsy manan-tsiny tahaka ny voromailala Miteny amin'ireo mpianatra i Jesosy fa tsy maintsy malina sady tsy manan-tsiny eo amin'ny olona izy ireo. Raha mampifangro voraka ny mampitaha ny mpianatra amin'ny bibilava na voromailala, dia mety ho tsaratsara kokoa ny manazava ireo fampitahana. DH: "miasà am-pahalalana sy fitandremana, no sady amin'ny tsy fananan-tsiny sy hatsaran-toetra" # Mitandrema ny amin'ny olona! Afaka adikana miaraka amin'ny hoe "satria" io mba hampisehoana fa mifandray ireo teny roa ireo. DH: "Mitandrema ny amin'ny olona satria izy ireo dia" # Hanolotra anareo "hamadika anareo" na "hahafoy anareo ho eo amin'ny" na "hampisambotra anareo" # filan-kevitra "fitsarana." Ireo dia mpitarika fivavahana teo an-toerana na loholona izay miara mitazona ny fihavanana eo amin'ny fiarahamonina. # hikapoka anareo "hamono sy hamely" # ho entina Azo atao hoe DH: "hoentin'izy ireo" na "handrirotra anareo" # nohon'ny Amiko "satria Ahy ianareo" na "satria manaraka Ahy ianareo" # azy ireo sy ho an'ireo Jentilisa Ny mpisolotena "izy ireo" dia manondro ireo "governora sy mpanjaka" na ireo mpiampanga Jiosy.