# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy manome toro-marika ireo mpianany i Jesosy momba izay tokony hataon'izy ireo rehefa mandeha mitory. # Ho an'ireo izay tsy mandray anareo na tsy mihaino "Raha tsy misy olona mandray na mihaino ao amin'izany trano izany" # mihaino ny teninareo Eto ny "teny" dia maneho izay lazain'ireo mpianatra. DH: "mihaino ny hafatrareo" na "mihaino izay tokony ho lazainareo" # tanàn-dehibe Tokony hadikanao araka ny nandikanao azy tao amin'ny toko 10:1 io. # ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo "ahintsano hiala amin'ny tongotrareo ny vovoka rehefa miala ianareo." Famantarana izany fa nolavin'Andriamanitra ireo olona avy ao amin'izany trano na tanàna izany. # Lazaiko marina aminareo "Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io. # ho azo leferina kokoa "ho kely kokoa ny fahoriana'' # tanin'i Sodoma sy Gomora Manondro ireo olona nonina tao Sodoma sy Gomora io. DH: "ireo olona izay nonina tao Sodoma sy Gomora" # izany tanàn-dehibe izany Manondro ireo olona ao amin'ny tanàna izay tsy mandray ireo apostoly na mihaino ny hafatr'izy ireo io. DH: "ireo olon'ny tanàna izay tsy mandray anareo"