# Ary nosokafany ny sain'izy ireo, mba hazoan'izy ireo ny Soratra Masina Ny ''manokatra saina'' dia fomba fiteny izay midika hoe manafaka olona iray hatakatra. DH: ''Avy eo nafahany hatakatra ny Soratra Masina izy ireo'' # Izao no voasoratra DH: ''Izao no nosoratan'ny olona efa ela'' # Fibebahana sy famelan-keloka no tokony ho toriana amin'ny anarany any amin'ny firenena rehetra DH: ''Ireo mpanara-dia ny Mesia dia tokony hitory amin'ny rehetra eny rehetra eny fa mila mibebaka sy mila ny famelan'Andriamanitra ny helony izy ireo amin'ny alalan'i Jesosy.'' # amin'ny anarany Eto ny ''anarana'' dia maneho ny fahefany. DH: ''amin'ny fahefan'i Jesosy'' # firenena rehetra ''ireo foko rehetra'' na ''ireo vondron'olona rehetra''