# mofo Ity mofo ity dia tsy misy lalivay ao anatiny, ka fisaka izany. # notapahiny izany Mety notapatapahiny be dia be izany na mety nozarainy roa ary nomena ireo apostoly mba hizarana izany amin'izy ireo. # Ity ny vatako Ireo dika azo heverina: 1) ''ity nofo ity no vatako'' sy 2) ''ity mofo ity dia maneho ny vatako'' # izay omena anareo DH: ''ny vatako, izay homeko anareo'' na ''ny vatako, izay ho ataoko sorona ho anareo'' # Ataovy izao ''hano ity mofo ity'' # ho fahatsiarovana Ahy ''mba hahatsiarovana Ahy'' # ny kapoaka Ny teny hoe ''kapoaka'' dia maneho ny divay ao anatin'ilay kapoaka. DH: ''Ny divay ao amin'ity kapoaka ity'' na ''Ity kapoakan-divay ity'' # fanekena vaovao amin'ny ràko Ity fanekena ity dia hisy fiantraikany raha vantany vao halatsaka ny ràny. DH: ''ny fanekena vaovao hankatoavin'izy ireo amin'ny alalan'ny ràko'' # ny ràko, izay narotsaka ho anareo Jesosy niresaka ny fahafatesany tamin'ny fanehoana ny ràny halatsaka. DH: ''ny ràko, izay halatsaka amin'ny fahafatesana ho anareo''