# nanontany Azy izy ireo hoe ''ireo mpianatra nanontany an'i Jesosy'' na ''Ireo mpianatr'i Jesosy nanontany Azy'' # ireo zavatra ireo Ity dia maneho izay vao nolazain'i Jesosy momban'ireo fahavalo namotika ny tempoly. # mba tsy ho voafitaka ianareo Jesosy niresaka tamin'ireo mpianany. DH: ''mba tsy hino lainga ianareo'' na ''mba tsy hisy hamitaka anareo'' # amin'ny anarako Ny olona tonga amin'ny anarany dia milaza fa maneho Azy. DH: ''milaza ho Izy'' na ''milaza ho manana ny fahefako'' # Izaho no izy ''Izaho no Kristy'' na ''Izaho no Mesia'' # Aza manaraka azy ireo ''Aza mino azy ireo'' na ''Aza manao mpianatr'izy ireo'' # aza mihorohoro ''aza avela hampihorohoro anao ireny zavatra ireny'' na ''aza matahotra'' # ny farany dia tsy hitranga eo noho eo Ity dia maneho ny fitsarana farany. DH: ''tsy hitranga eo noho eo aorian'ny ady sy fikomiana ny faran'izao tontolo izao'' na ''izao tontolo izao dia tsy hifarana eo noho eo aorian'ireo zavatra hitranga ireo'' # ny farany ''ny faran'ny zavatra rehetra'' na ''ny faran'ny taona''