# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Jesosy mamaly ireo lohan'ny mpisorona, mpisoronabe, ary loholona. # Namaly Izy ary niteny azy ireo hoe ''Namaly Jesosy'' # Moa ve izany avy any an-danitra sa avy amin'ny olombelona? Jesosy nahafantatra fa ny fahefan'i Jaona dia avy any an-danitra. Nanontany ilay fanontaniana Jesosy mba hitenenan'ireo mpitarika Jiosy izay noeritreretin'izy ireo amin'izay rehetra nihaino. DH: ''Moa ve ianareo mieritreritra fa ny fahefan'i Jaona hanao batisa olona dia avy any an-danitra sa avy amin'ny olombelona?'' na ''Moa ve ianareo mieritreritra fa Andriamanitra nilaza an'i Jaona hanao batisa ny olona, na ny olona nilaza taminy mba hanao izany?'' # avy any an-danitra '''avy amin'Andriamanitra.'' Ireo mpitarika Jiosy dia tsy niantso an'Andriamanitra tamin'ny anarany hoe ''Yahweh.'' Nampiasa ny teny hoe ''lanitra'' foana izy ireo mba hanehoana Azy.