# Fampifandraisana ny foto-kevitra Jesosy manomboka milaza fanoharana raha manohy mampianatra ireo mpianany Izy. Ity dia mbola ao anatin'ny fizaran'ny tantara izay nanomboka tao amin'ny 17:20. Ny andininy 1 dia manome famaritana antsika ny amin'ny fanoharana izay ho lazain'i Jesosy. # Avy eo Izy ''Avy eo Jesosy'' # tokony hivavahan'izy ireo mandrakariva, ary tsy ho kivy Ireo dia manana dika mitovitovy, izay nampiasain'i Jesosy mba hanamafisana ny heviny. Ny fiteny sasany dia manana fomba fanamafisana samihafa. DH: ''tokony hivavaka foana izy ireo'' # niteny hoe Afaka atao hanombohana fehezanteny vaovao koa ity: ''Hoy Izy hoe'' # tanàna iray Eto ny ''tanàna iray'' dia fomba hitondrana ny mpihaino hahafantatra fa ny fitantarana manaraka eo dia any amin'ny tanàna iray, fa tsy zava-dehibe ny anarany. # tsy nanaja olona ''tsy niraharaha izay momban'ny olona hafa''