# Fa voalohany dia tsy maintsy mijaly Izy ''Fa voalohany ny Zanak'Olona dia tsy maintsy mijaly.'' Jesosy miresaka momban'ny tenany ihany. # ho lavin'ity taranaka ity DH: ''ny olon'ity taranaka ity dia tsy maintsy handà Azy'' # Tahaka izay nitranga tamin'ny andron'i Noah Ny ''andron'i Noah'' dia maneho ny fotoana nandritry ny fiainan'i Noah talohan'ny nanafaizan'Andriamanitra ny olona teto amin'izao tontolo izao. DH: ''Tahaka ny nataon'ny olona tamin'ny andron'i Noah'' # no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'Olona Ny ''andron'ny Zanak'Olona'' dia maneho ny fotoana mialohan'ny hatongavan'ny Zanak'Olona. DH: ''hitovy ny zavatra ataon'ny olona amin'ny andron'ny Zanak'Olona'' na ''Hitovy ny zavatra ho aton'ny olona rehefa ho avy ny Zanak'Olona'' # Nihinana izy ireo, nisotro, nanambady, natolotra ho ampakarina Nanao zavatra fanao isan'andro ny olona. Tsy fantatr'izy ireo na norarahian'izy ireo fa andalam-pitsarana azy ireo Andriamanitra. # natolotra ho ampakarina DH: ''ireo ray aman-dreny dia namela ny zanaka vavin'izy ireo hanambady lehilahy'' # sambofiara ''sambo'' # nandringana azy rehetra Tsy ao anatin'izany Noah sy ny fianakaviany izay tao anaty arka. DH: ''nandringana ireo rehetra tsy tao anaty sambo''