# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ity dia fihatoana amin'ny fampianaran'i Jesosy. Misy lehilahy iray mangataka amin'i Jesosy mba hanao zavatra ary mamaly azy Jesosy. # hizara ny lova miaraka amiko Ny lova dia avy amin'ny ray amin'izany kolontsaina izany. DH: "zarao amiko ny fananan'ny raiko" # Ralehilahy Ireo dika azo lazaina: 1) Ity dia fomba tsotra hiresahana amin'ny vahiny na 2) Jesosy miteny mafy ilay lehilahy. Ny fiteninao dia mety manana fomba iray hiresahana amin'ny olona. # iza no manao Ahy ho mpitsara na mpanelanelana anareo? Jesosy mampiasa fanontaniana mba hitenenana mafy ilay lehilahy. DH: "Tsy mpitsara na mpanelanelana anareo Aho." # Ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe Ny teny hoe "izy ireo" eto dia mety maneho ny vahoaka manontolo. DH: "Ary Jesosy niteny tamin'ny vahoaka hoe" # hihazonanareo ny tenanareo lavitra ireo fanirian-dratsy rehetra "ambeno amin'ny endrika fanirian-dratsy rehetra ny tenanareo." DH: "aza avela hitia fanan-javatra ny tenanareo" # fiainan'olona iray Ity dia fanambarana ankapoben'ny zava-misy. Tsy maneho olona iray manokana. # fitobaky ny fananany "firy ny zavatra ananany"