# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Jesosy manomboka mamaly mpampianatra Jiosy iray. # iray tamin'ireo mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy Ity dia mampiditra mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara. # izany lazainao izany dia maniratsira anay koa Ny fanehoan-kevitr'i jesosy momban'ireo Farieo koa dia toa mihatra amin'ireo mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy. # Loza ho anareo, ry mpampianatra lalàna! Jesosy manazava izany tsara fa nihevitra ny hanameloka ny hetsik'ireo mpampianatra lalàna miaraka amin'ireo Fariseo Izy. # mampitondra enta-mavesatra tsy zakan'ny olona ianareo Jesosy miresaka momban'ny olona iray manome lalàna maro be ho an'ny olona toy ny hoe nanome enta-mavesatra be ho azy ireo ilay olona. DH: "manome enta-mavesatra ny olona ianareo amin'ny fanomezana azy ireo lalàna maro mba arahana" # mikasika izany enta-mavesatra izany amin'ny ratsan-tananareo Ireo dikateny azo atao: 1) "tsy manao na inona na inona akory hanampiana ireo olona mitondra ireo enta-mavesatra ireo" na 2) "tsy manao ezaka akory hitondra ireo enta-mavesatra ireo ho an'ny tenanao."