# Fampifandraisana ny foto-kevitra Tapitra ny fampianaran'i Jesosy ny vahoaka. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ny andininy faha 33-36 dia sariteny izay hiresahan'i Jesosy ny fampianarany toy ny "hazavana" izay tokony ho zaraina amin'ny olona rehetra. Izy dia miresaka ireo olona izay tsy manaiky ny fampianarany nefa ao anatin'ny "haizaina". # mametraka izany amin'ny toerana takona na ao ambany harona ''manafina izany na mametraka izany ao ambany harona" # fa atao eo amin'ny fitoeran-jiro Mety hanampy ny fanampiana ny fanazavana tsy ampy. DH: "fa nataon'izy ireo tamin'ny fitoeran-jiro izany" na "fa napetrak'izy ireo teo amin'ny latabatra izany" # Ny masonao no jiron'ny tena Amin'ity sariteny ity, ireo zavatra hitan'izy ireo nataon'i Jesosy dia nanome fahazoana toy ny maso manome hazavana ho an'ny vatana. # Ny masonao Ny maso dia entina hilazana ny fahitana. # ny vatana Ny vatana dia entina hilazana ny fiainan'ny olona iray. # Rehefa tsara ny masonao Ny "maso" dia entina hilazana ny fahitana. DH: "Rehefa tsara ny fahitanao" na "rehefa mahita tsara ianareo" # rakotra hazavana ny tena rehetra DH: "handrakotra ny vatanao iray manontolo ny hazavana" na "ho afaka hahita mazava tsara ny zavatra rehetra ianao" # rehefa ratsy ny masonao Eto ny "maso" dia entina hilazana ny fahitana. DH: "Rehefa ratsy ny fahitanao" na "rehefa tsy dia mahita tsara ianao" # feno haizina ny tenanao "tsy afaka hahita na inona na inona ianao" # mitandrema ianareo mba tsy ho haizina ny hazavana ao aminareo "kendreo tsara mba tsy ho haizina izay heverinareo fa hazavana raha ny marina" na "Aoka mba ho fantatrareo tsara ny atao hoe hazavana, ary fantatrareo ny atao hoe haizina" # dia ho tahaka ny jiro izay mampamirapiratra ny hazavany aminao ny tenanao manontolo Jesosy dia miresaka ireo olona izay feno ny marina toy ny hoe jiro izay mamirapiratra be izy ireo.